ARIVONIMAMO

Nahazo oniversite hianaran’ireo tanora


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Nahazo oniversite hahafahany manohy fianarana sy mampitombo ny fahalalany

ireo tanora mpianatra ao amin’ny Faritra Itasy. Napetraka ao Arivonimamo ny fanampin’izany foto-drafitrasa izany araka ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny Minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika. Mifandray mivantana amin’ny Oniversiten’Itasy io oniversite io. Afak’omaly Alatsinainy 19 Febroary no natomboka tamim-pomba ofisialy ny taom-pianarana tao an-toerana, ahitana lalam-piofanana miisa roa dia ny informatika sy ny toe-karena, izay mamaly ny filan’ny Faritra, noho ity faritra ity manan-karena sy mamokatra. Tanjona ny hanomezana fampianarana tsara kalitao sy fampianarana manakaiky vahoaka, raha araka ny fanazavana azo. Tsiahivina moa fa ny Oniversiten'Itasy dia nametraka ny rafitra fitarihana asa virtoaly na ny "système d'orientation professionnelle virtuelle", hahafahan'ireo mpampianatra matihanina sy mpandraharaha any amin'ireo orinasa tsy miankina sy ny mpampianatra avy any ivelany mandray anjara amin'ny fampianarana. Efa am-polony maro sahady ireo mpianatra manovo fahalalana ao amin’ity oniversite iray ao Arivonimamo ity, raha araka ny vaovao azo hatrany.
Pati
Legende : Efa mianatra tahaka izao ireo tanora manovo fahalalana ao amin’ny Oniversite-n’Arivonimamo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT