Fampianarana

Antsiranana Voasambotra ilay nisoloky ho mpivarotra « sujet bacc »


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Tovolahy iray voalaza ho mpisoloky nivarotra laza adina bakalorea no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tany Antsiranana ny Alatsinainy 17 Jolay lasa teo.

Taorian'ny fitarainana nataon'olona maromaro voasoloky tamina resaka laza adina bakalorea dia nandray ny andraikiny ny polisy. Raha tsiahivina dia hamidy amin'ny tambazotran-tserasera izy io ka rehefa mandefa ny vola amin'ny alalan'ny finday dia hataon'ilay olona "liste noire" ireo nividy izany. Nanokatra fanadihadiana ny lehiben'ny sampana miady amin'ny heloka an'habaka izay niara-niasa tamin'ny tambazotra iray eto an-toerana ka tratra tao Lazaret ny anaolahy tokony ho tamin'ny 06 ora sy 15minitra maraina. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tovolahy mpianatra izay vao 22 taona ny tenany ka karapanondron'olona very no nentiny nividianana "puce" hanaovany ny asa ratsiny. Voatazona ao amin'ny kaomisaria foiben'Antsiranana ity farany ary mbola mitohy ny fanadihadiana hatao aminy.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT