Fampianarana

Antsiranana Mpianatra 6 nidoboka am-ponja omaly


  • Alarobia 10 Febroary 2021

Mpianatry ny Politeknika ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana miisa 4 no naiditra am-ponja omaly.

 

Nosamborina ny alatsinainy teo izy ireo, ka fandraisana anjara sy fitarihana fanakorontanana no vesatra hanenjehana azy ireo. Tany an-trano ny roa no nosamborina, nisy iray naka “caméra” ho porofo fa tsisy ny korontana no nosamborina. Nofafana avokoa ny sary sy horonan-tsary maneho fa nilamina ny hetsika, hoy ny mpianatra. Nisy mantsy ny hetsika nataon’ny mpianatra ny alatsinainy teo noho ny antony maro: fitakiana ny famoahana ny naman’izy ireo miisa 5 izay naiditra am-ponja noho ny raharaha savorovoro ny 25 janoary izay nisiana fisamborana mpianatra 15; fanesorana ny miaramila ao anatin’ny faritry ny Oniversite, fisitrahana jiro sy rano araka ny tokony ho izy,…. Lasa faritra mena sy voalaza fa tsy azo hivorivoriana ny faritry ny oniversite. Mihorohoro ny mpianatra ao amin’ity anjerimantolo ity amin’izao fotoana izao, mihenjan-droa ny tady eo amin’ny mpitantana ny anjerimanontolo sy ny mpianatra. Zary lasa miery any amin’ny faritry ny anjerimanontolo misy ny toeram-ponenan’ny mpianatra ny mpitandro filaminana. Fitakiana ny famoahana ny namany no nandrandrain’ireo mpianatra, kinanjo vao mainka nitombo ireo nidoboka am-ponja. Mafampana ny toe-draharaha any amin’ny Oniversiten’Antsiranana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT