Fampianarana

Antsiranana “Mbola tsy nanomboka ny fitsarana bakalorea”


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Mbola miady mafy ny tambin-karaman’izy ireo tsy misy voarotsaka ankehitriny ireo mpampianatra sy mpitsara ary ao amin’ny fitanana an-tsoratra momba ny bakalorea tamin’ny taon-dasa ao amin’ny kaominin’Antsiranana,

raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Somary mahagaga, hoy ny mpampianatra filozofia sady mpanao politika monina any an-toerana, ny Pr Rene Rasolofo, dia ny hoe ny ben’ny tanana eto an-toerana sy ny governora no nanadina dia hoe izahay no hameno ny banga, araka izay tandrifinay, na dia ho famenony fotsiny aza. Manasa tanana ve izany ny fitondrana ka na dia tsy ampy aza ny vola alefa na nisy nanjavona teny an-dalana, tsy fantatra, dia ny any an-toerana no mameno azy? hoy izy Mampametra-panontaniana lalina momba ny fitantanam-bola eto Madagasikara izany. Nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny zoma teo moa io. Ny vola izany tsy alefa fa ny andraikitra no omena ilay olona. Mbola tsy nanomboka noho izany ny fitsarana bakalorea aty. Toy izay koa ny olana ao amin’ny orinasa Secren. Mikatso tanteraka ny orinasa satria tena tsy mandray na inona na inona ny mpiasa. Maty mosary hatramin’ireo mpiasa misotro ronono. Olana efa hatramin’ny herintaona io ary efa niakatra fitsarana mihitsy ny olan’ny CNAPS ho an’ny mpiasan’ny Secren. Nahazo rariny ny mpiasa nefa tsy noraharahiana ary tsy nisy tohiny dia potika tanteraka ilay orinasa. Mitaky izahay hoe atao toy ny nanaovana ny Air Madagasikara izay nananganana komity fanarenana ny orinasa koa ny Secren. Efa henonay fa nisy mpitondra fanjakana miheritreritra ny haka an’io Bojy ho fananan-tsamirery nefa vakom-pirenena io fa tsy azo ravaravaina fotsiny, hoy hatrany ity mpampianatra sady mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT