Fampianarana

Antananarivo renivohitra Nitombo 8 % ireo afaka BEPC


  • Zoma 30 Jolay 2021

Nitombo 8 % ireo mpiadina afa-panadinana BEPC teto amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra. Raha 51,73% mantsy izany tamin’ny taon-dasa dia nahatratra 59,77 %

tamin’ity taona ity raha araka ny fanazavan-dRamananantony Lalaina, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra. Anisan’ny antony nahatsara ny vokatra raha araka ny fanazavany ny ezaka nataon’ny mpampianatra indrindra taorian’ny niparitahan’ny valan’aretina COVID 19 ka nanampiana ireo mpiadina raha vantany vao niverina an-tsekoly izy ireo. Maro tamin’ireo mpianatra ihany koa hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity no nanam-pikirizana mafy indrindra tamin’ny fotoana nijanonany tany an-tokantrano nandritra ny fihibohana. Tsiahivina moa fa amin’ny 09 aogositra ho avy izao vao hiatrika ny fanadinam-panjakana ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Tsy vitsy araka izany ireo efa manao ny ainy tsy ho zavatra hahafaha miatrika izany amim-pitoniana.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT