ANTANANARIVO NOMERIKA

Solosaina miisa 122 no natolotra tao anatin’ny herinandro


  • Zoma 25 Oktobra 2024

Tena nahafaly ireo ray amandrenin’ny mpianatra ny fahafahan’ny zanany mianatra solosaina

dieny any an-tsekoly. Zava-dehibe ny fianarana ary tena mahatafita . Zavatra tsy maintsy ianarana ihany koa ny informatika satria efa tafiditra ao anatin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Noho izany indrindra no nahatonga an’i Tahina Razafinjoelina sy ny Tia Tanindrazana hitondra ny anjara birikiny hanampiana ny ankizy sy mpianatra. Solosaina 122 no natolotra sekoly tsy mankina sy ivon-toerana ho an’ny tanora tato anatin’ny herinandro. Ny 100 napetraka eny amin’ilay IT faravohitra, afaka tonga eny manovo fahalala ny rehetra, misy kosa ny fandaminana atao isaky ny boriboritany satria voafetra ho 100 ny toerana. Fa nisy ihany koa ny sekoly sy fikambanana tsy miankina nahazo ny anjara solosaina dia ny Wisdom School Andohatapenaka nahazo ordinateur portable miisa 6, Association Betania Ankasina (6), la base secondaire Anosibe Ivolaniray (5), Ange Gabriel Anosizato Ouest I (5).
Legende: Ireo mpianatra ao amin'ny Wisdom School Andohatapenaka ao amin'ny salle d'Informatique
Legende : IT Faravohitra manana ordinateur portable 100

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT