Fampianarana

Antananarivo Avaradrano Nahazo EPP ny ao Ambohitrandriamanjaka


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Notokanana omaly ny EPP ao Ambohitrandriamanjaka, fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Avaradrana.

Trano fisakafoanana ahitana efitra roa; efitranon-tsekoly ho an'ny kilasy garabola sy tranom-boky ahitana haino aman-jery; trano fivoahana sy fidiovana ary rano fisotro madio. Ireo no foto-drafitrasa indray notokanana vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ireo mpiara-miombon'antoka maro dia ny fikambanana Manohisoa, ny fikambanana Enfance Espoir, ny Fondation AXIAN, ary ny Canal Plus. Tonga nanatrika ity lanonana fitokanana ity ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, Razafimahefa Herimanana; ny Tale jeneraly misahana ny sekoly, Ranosy Eliane, solontenan' ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena; ary ireo solontenan'ny mpiara-miombon'antoka tsirairay avy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT