Fampianarana

Anosibe an’ala, voatery miampita lakana Misy mitsoaka an-daharana ny mpianatra…


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Mijaly ireo mpianatra ao amin’ny EPP sy CEG Anosibe an’ala. Raha araka ny fantatra mantsy dia mandeha dia an-tongotra an-kilometatra

maro izy ireo vao tonga any an-tsekoly isan’andro miala any an-tokantranony. Mbola handalovana reniranobe ihany koa izany izay tsy maintsy hiampitana amin’ny lakana. Tsy vitsy ireo mitsoaka an-daharana noho izany indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Aleon’izy ireo mijanona any an-tokantranony mandrapitsahatry ny ranon’orana toy izay ho reraky ny dia an-tongotra sy hitaintan-dava eny am-pitaingenana lakana. Mamono rahateo ny rano sy ny lakana rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Nisy moa ny fanolorana tafo ho an’ny EPP sy CEG nataon’ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana ny faran’ny herinandro teo, fahasimbana nateraky ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy sy Batsiray. Mitete izaitsizy ihany koa mantsy ireo tafon-tranon-tsekoly ireo.
Pati
Legende : Atahoran’ny mpianatra ny miampita lakana tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT