Fampianarana

Ankizy sahirana eto an-drenivohitra Ny 27 % ihany no afaka mianatra eny amin’ny EPP


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Betsaka ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra sy ny manodidina no tsy afaka manovo fahalalana eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra akory noho ny fahasahiranana.

   27 % monja mantsy izy ireo no mba afaka manao izany raha mbola mahatratra hatrany amin’ny 16 % ihany ny tahan’ny fitsoahana an-daharana noho ireo antony maro samihafa. Izany indrindra no antom-pijoroan’ny fikambanana Sharemada miahy ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra miara-miasa amin’ny orinasa Star. Ankizy miisa 350 no notoloran’izy ireo fitaovam-pianarana maro samihafa nahitana kitapo, penina, kahie….andro vitsy lasa izay.  Teny  Faravohitra no nizarana izany  noho izao fahatongavan’ny fidiran’ny mpianatra izao. Ankizy sahirana avy ao amin’ny fokontany Ankadivato, Mandialaza Ambatomitsangana ary Antaninanandro izy ireo. Efa-taona no kely indrindra ary 15 taona no zokiny indrindra, ankizy manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana avokoa. Tanjon’ny orinasa Star sy ny fikambanana Sharemada ny hahafahan’ireo ankizy mpianatra ireo miatrika ny fidiran’ny mpianatra amim-pitoniana sy hananany filaminan-tsaina. Tsiahivina moa fa anisan’ny hahazo anjara amin’izao fizarana fitaovam-pianarana izao ihany koa ireo ankizy kamboty zanaky ny mpitandro ny filaminana ao Ambatolampy amin’ity volana novambra ity ihany.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT