Fampianarana

Ankatso I sy II Hahazaka mpianatra 300 ireo trano vaovao


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Tonga nijery ny fivoaran’ny asa fananganana toeram-ponenan’ny mpianatra, izay misy fotodrafitrasa 3 lehibe eny Ankatso ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr Assoumacou Elia Béatrice niaraka

 tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny sabotsy 05 desambra teo. « Misy ny ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana mba ahafahana mijery hoe : inona no ahafahana mampihena ny fovangongoana amin’ny trano iray, ka noho izany no nanamboarana ny « bloc Amical 2 » izay may ka nananganana vaovao sy ireo « dortoir » lehibe miisa 2 izay ho an’Ankatso I sy Ankatso II », hoy ny Minisitra. Notsipihiny fa hita ny olana mianjady amin’ny mpianatra fa ny tena goavana dia ny mahakasika ny trano, ary miditra amin’ny fahavaratra rahateo isika. Nivoitra taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo orinasa manao ny asa fa hatao mialohan’ny faran’ny taona ny fandraisana ara-teknika «Réception téchnique » satria nilaza rahateo ny Minisitra fa tokony hihazakazaka kely mba ahafahana mamaha ny olan’ny mpianatra. Mbola hijery fotoana araka izay maha mety azy kosa ho an’ny fitokanana. 300 mahery eo no ho zakan’ireo trano lehibe miisa roa vao natsangangana, ary ho an’ny Bloc Amical II kosa dia ireo mpianatra efa nonina tao ihany no haverina ao.
TSY EKENA NY FIVAROTANA NY TRANO
Tsy tokony hisy ary tsy azo ekena ny fivarotana ny trano satria an’ny Fanjakana fa tsy an’ny mpianatra na an’olon-tsotra ny trano, hoy ny Minisitry ny fampianarana ambony. Ny eo anivon’ny CROUA (Centre Régional des Œuvres Universitaires à Antananarivo) ihany no afaka mamoaka ny fisitrahana na « attribution » ho an’ny trano. Misy kosa ny kaomisionina ahitana ny solonten’ny mpianatra. Tsy sanatria handidy hanapaka amin’ny lafiny « administration » anefa ny mpianatra, fa manara-maso kosa amin’ny fangaraharahana.
Toky R
Légende : Nandritra ny fidinana ifotony teny Ankatso nataon’ny Minisitra sy ny ekipany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT