ANKATOKY NY FIDIRAN’NY MPIANATRA

Miaka-bidy avokoa ireo kojakoja ilain’ny ankizy


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Saika midangana avokoa ny vidin’entana eny an-tsena eny amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao.

Ankoatra ny fitaovam-pianarana izay efa hiarahan’ny Ray aman-dReny mahalala dia tonga hatrany amin’ny fitafiana sy ny kapa ary ny kiraro mihitsy izany, rehefa mety kojakoja ilain’ny ankizy hiatrehana izay fidiran’ny mpianatra izay. Raha 5.000 Ar ohatra ny ambonin’akanjo anatiny vaovao iray dia lasa 8.000 Ar amin’izao. Tsy taitra mihitsy ireo mpivarotra manombana izany no sady miavom-piteny izay tsy iray na roa akory. Ho an’ny kapa na kiraro indray dia nahitana fiakarany eo amin’ny 20% eo ho eo ny vidiny. Raha fehezina dia tena manararaotra ireo mpivarotra amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao. Eo an-danin’izay anefa dia mihavitsy isan-taona ireo Ray aman-dReny manana fahafahana ny hividy izany. Ny kahie sy ny penina ihany aloha no tena maika fa ny ankoatra izay mbola azo hiafiana ho an’ny ankamaroan’ny zanaka Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny fitafiana sy ny kapa na kiraro. Toraka izany koa ny kitapo izay ny mbola tamin’ny herin-taona aloha no hampiadiana ho an’ny ankamaroan’ny mpianatra fa rehefa misy fahafahana kely vao soloina.
Pati
Legende : Hatramin’ny fitafiana miaka-bidy avokoa eny an-tsena amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT