Fampianarana

Anjerimanontolo « Miroso mankany amin`ny avo lenta”


  • Talata 09 Jolay 2019

Tontosa ny faran`ny herinandro lasa teo ny fametrahana amin`ny toerany ny filohan`ny oniversiten`i Fianarantsoa amin`ny alalan`ny Dr Rafamantanantsoa Andrainjato.

 

 Mazava ny hafatry ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Rejo Fienena Félicitée fa ilaina ny firaisankinan`ny filohan`ny oniversite. Mila mametraka paikady amin`ny fitantanana ao anatin`ny mangarahara ary mila manalavitra ny hosoka sy kolikoly, hoy izy. Eo ihany koa ny tokony hisian`ny fiaraha-miasa amin`ireo mpampianatra mpikaroka sy ny mpiasan`ny oniversite. Nanambara kosa ny filohan`ny oniversite vaovao, Dr Rafamantanantsoa Andrainjato fa manana tanjona ny hamoaka tanora mpianatra ho amin`ny fampandrosoana. Notanisainy ireo andry lehibe amin`ny asa tanterahiny ao anatin`ny telo taona. Tsiahivina fa anisan`ny ambetin-tenin`ny minisitra Rejo-Fienena Felicitèe ny amin`ny ady atao amin`ny kolikoly sy ny ady atao amin`ny hosoka eo amin`ny diplaoma eny anivon`ny ambaratonga ambony. Efa mipetraka rahateo ny sampandraharaha mijery akaiky ny momba ireo eo anivon`ny minisitera iadidiany.

 

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT