ANDRON’NY SEKOLY TAO ALASORA

Niara-nisakafo ny Ben’ny tanana sy ny mpianatra


  • Alakamisy 29 Febroary 2024

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andron’ny sekoly isika eto Madagasikara ankehitriny.

Niavaka kely izany ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano. Nanasa ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy niara-nisakafo taminy mantsy ireo mpianatra ao amin’ny EPP Ambatomalaza omaly Alakamisy 28 Febroary. Ity sekoly ambaratonga fototra iray ity raha tsiahivina dia misy cantine scolaire in-4 isan-kerinandro ka ny Association Madagascar Action Solidaire any Simandre(France) no mamatsy vola izany. Ny fiadidian’ ny tanana no niezaka nitady ny mpiara-miombon'antoka izay mbola hotihizana hatrany hanampiana ireo EPP miisa 8 tsy mbola manana izany ao Alasora. Ankoatra ny fijerena izay mahasoa ny mpianatra tahaka izao moa dia tsy nanadino ny nijery mikasika ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy ao amin’ny faritra misy azy ihany koa ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana ary ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka. Nisy ny atrikasa mahakasika ny VBG notanterahin’izy ireo teny amin'ny Yandy By-Pass, izay nandraisan'ny mpianatra avy ao amin'ny Lycée TASC anjara, ireo STD, ary ny fikambanana maro samy hafa.Raha araka ny fantatra mantsy dia anisan’ny toerana ahitana tarehimarika avo dia avo ny kaominina Alasora amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizy. Antony ,mahatonga izany ny fidonanam-poana mahazo ireo lehilahy sy ny fahasahiranana ao an-tokantrano ateraky ny fiakaran’ny vidim-piainana hany ka ireo zaza amam-behivavy no hifatraran’ny rihitra. Amin’ny alalan’ny fanabeazana sy fifampitaizana tahaka izao no hamahan’ny kaominina ny olana araka izany arahin’ny fikarakarana ireny karazana lalao baolina kitra ireny mba hahafahan’ny mponina miala voly hoy ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy.
Pati
Legende : Faly tahaka izao ireo ankizy mpianatra niara-nisakafo tamin’ny Ben’ny tanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT