Fampianarana

Andoniaina Alida Andrianarimahatratra “Aleo manohy fianarana rehefa azo ny bakalorea”


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Mbola malalaka amin’ny sehatry ny asa ny lalam-piofanana momba ny fitaterana sy fadintseranana na “transit et douane” satria resaka varotra iraisampirenena ihany izy io,

hoy ny mpampianatra haivarotra etsy amin’ny sekoly ambony tsy miankina INSPNMAD, Andoniaina Alida Andrianarimahatratra. Asa azo antoka fa tsy ho faty mihitsy io, hoy izy. Misy eto amin’ny firenena foana ny resaka fanafarana sy fanondranana. Jereo ny akony tamin’ny toekarena vao najanona ireo tamin’ireny Covid 19 ireny. Tsy maintsy nosokafana ihany ny fadin-tseranana. Ilaina ny fampianarana ambony. Aleo manohy fianarana rehefa azo ny bakalorea satria eto no tena hoavin’ny tanora. Miezaka izahay manome saram-pianarana mirary ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny sy mpianatra. Fanabeazana no tanjona, noho izany, dia azo ifampiresahana tsara ihany koa ny tomponandraikitra raha misy olana eo amin’izay lafiny izay. Ny fiaraha-miasan’ny mpianatra sy mpampianatra no antoky ny fahombiazana fa ny toetsaina ho enti-miady ihany koa anefa no mety mampitotongana raha tsy mitandrina. Ny mpianatray izao tsy nisy henoko hoe tsy an’asa izany satria izahay koa manana ireo mpiara-miombon’antoka mampiofana sy mandray ireo mpianatra eto ho mpiasa mihitsy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT