Fampianarana

Anaty krizy ny oniversitem-panjakana Nangotraka ny grevin’ny PAT, mitaky vahaolana maharitra


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Nafana indray ny grevin’ny mpandraharan’ny oniversiten’Antananarivo ny andron’ny omaly alarobia 4 mey 2022.

Nampikatso tanteraka ny asany mantsy ireo PAT (Personnel Administratif et Technique) eo anivon’ny Anjerimanontolon’Ankatso. Tsy vitan’izay, fa nidina an-dalambe nibahan-dàlana sy nandoro kodiarana mihitsy. Antony ny fahataran’ny karama izay toa toe-javatra miseho hatrany isam-bolana ary matetika saika isam-bolana ny fitokanana foana. Miantso ny minisitera mpiahy eo anatrehan’ny fahatarana na mety avy aminy io na mety avy amin’ny hafa, mba hamaritra sy hamoaka daty tsy miovaova amin’ny fandoavana karama. Milaza ny tsy hiverina handray ny asany sy tsy hanatanteraka izany ara-dalàna izy ireo raha tsy mivoaka ny karama volana aprily sy ny tetiandro mazava sy raikitra. Tara lava ny karama, ary na izahay aza efa menatra ny mitaky, karama izany tsy tokony ho takiana fa mba efa vonona ao rehefa tapitra ny volana. Na dia ho azo ny karama volana apriy, mieritreritra sy manambana ny tsy hiasa mihitsy ireo PAT raha tsy efa mivoaka ny taratasim-panjakana milaza fa ny faha-20 amin’ny volana, farafahatarany ny faha-25 no tokony ho voaloa ny karama. Hitohy foana ny hetsika raha vao tsy izay satria vahaolana maharitra no tadiavinay, hoy ireo PAT. Naneho moa ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony, fa hatramin’izay dia ny tany amin’ny Oniversite foana no nanao ny fandaminana sy fandoavana ny karama. Misy anefa ny lesoka, ka niteraka fampiatoana nanomboka ny septambra 2021. Fanadihadiana ara-bola sy dingana maro samihafa mialohan’ny famoahana ny karama no anton’ny fahatarana. Efa tokony hiverina amin’ny laoniny amin’izay anefa ao anatin’ny 3 volana, raha ny fanamarihana. Isehoana olana sy krizy hatrany ny Oniversitem-panjakana. Mbola tsy mivaha ny resaka lalàna momba ny fizankantenan’ny Oniversite izay notsipahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, izay niteraka ny fanaovan’ny Sendikan’ny mpampianatra Oniversite maty hatramin’izao, dia io indray fa mifoha ny grevin’ny PAT.
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT