Fampianarana

Ampitatafika Hahazo sekoly roa handraisana ny ankizy madinika


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Nahazo préscolaire ny ao Ambodiafontsy, Fokontany iray amin’ireo 13 isa misy

 

 

ao anatin’ny kaominina Ampitatafika raha roa no totaliny handraisana ireo kilonga madinika. Omaly no napetraka ny vato fototry ny asa fanamboarana ny sekoly, tohanan’ny Fondation Axian, sy ny Telma, ny fikambanana COSAMA ary ny kaominina Ampitatafika. Nosafidiana manokana ny sekoly handraisana ireo ankizy madinika raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina, noho izy tsy mba nisy nanao hatramin’izay. Ny EPP Ambodiafontsy rahateo izay misy ity présco vao natsangana ity hahazo efitrano fianarana vaovao miisa 3 amin’ny taona vaovao 2021. Toraka izany koa ny fananganana EPP ao Ambohimahitsy izay hiarahana amin-dry zareo Anglisy hoy hatrany izy. Na izany aza anefa olana kely ny resaka mpampianatra. Mpampianatra FRAM 2 mantsy no miasa ao amin’ny EPP Ambodiafontsy miampy olona nanolo-tena iray izay tsy handoavana karama na Ariary aza. Tsy maintsy mpampianatra iray afaka handray ireo ankizy 5 taona hiasa ao amin’ny presco araka izany aloha no horaisina raha mbola miandry kosa ireo zaza 4 taona. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny tsy fahampian’ny mpampianatra ao aminy araka izany ireo tompon’andraikitry ny fanabeazana ao an-toerana. Efa mahatratra 270 isa mantsy amin’izao ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana CEPE ao amin’ity EPP ity ihany raha 68 kosa ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT