AMBOHIDRAPETO ATSIMONDRANO

Hananganana toeram-piofanana lehibe ho an’ny tanora


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Ny 70%n’ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika dia tsy an’asa avokoa.

Voafaoka ao anatin’izany avokoa na ireo nahavita fianarana na tsia, antony manosika ireo kaominina maro samihafa hanao ezaka manokana hanome fiofanana arak’asa avy hatrany ireo tanora ao aminy. Ho an’ny kaominina Ambohidrapeto, Distrikan’Atsimondrano manokana dia mpianatra miisa 150 teo ho eo no navoaka tamim-pomba ofisialy rehefa avy nianatra teny Anglisy sy informatika nandritra ny volana vitsivitsy. Fanilo no anarana nisaloran’izy ireo ka anisan’ny tanjon’ny mpikarakara ny hanampiana ireo tanora ao aminy ho afaka hiditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany hialana amin’ny fahantrana. Ho an’ity kaominina iray ity manokana moa dia fantatra fa hisy ny fanamboarana toerana iray lehibe natokana ho an'ny kolontsaina sy ny fiofanana. Tafiditra ao anatin’izany ny efitrano iray hanaovana fampiharana ho an’ireo nianatra ny informatika izay hisy solosaina marobe hapetraka. Hisy ihany koa ny WI-FI ho an'ny rehetra manodidina ny kaominina Ambohidrapeto manomboka amin'ny volana Jona 2024 ho avy io.
Pati
Legende : Ireo andiany indray mihira navoaka ny fiandohan’ny herinandro teo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT