Fampianarana

Ambodianfontsy Ampitatafika Nahazo dabilio sy seza ny EPP


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Ankoatra ny tsy fahampian’ny sakafo dia anisan’ny antony tsy mampaharisika ireo ankizy mpianatra hanohy ny fianarany ihany koa ny haratsian’ny foto-drafitrasa sy ny fitaovana hampiasaina.

Izany indrindra no nanosika ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana eo anivon’ny CNAM etsy amin’ny 67 ha sy ny filohan’ny fikambanana Lions Club Vohitsarana hanolotra fitaovana ho azy ireo. Dabilio miisa 21 niampy seza 36 isa no natolotr’izy ireo tamin’izany, ho an’ny EPP ao Ambodianfontsy, kaominina ambanivohitr’Ampitatafika. Nambaran’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina nandritra izany fa nitady toko izy ireo ka sendra vato. Matetika hoy izy dia amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy ny fandehanana any ho any hatrany no ahitana soa ho an’ny vahoaka tahaka izao ka tena faly tokoa ny tenany. Na izany aza dia mbola manana olana amin’ny resaka mpampianatra FRAM ity EPP iray ity. Miisa 3 izy ireo izay samy tsy mbola voaray ho mpiasam-panjakana avokoa. Nampanantena araka izany ny coatch eto amin’ny Faritra Analamanga, miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa hitondra izany hetahetan’ny mpianatra sy ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra izany any amin’ny ministra tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Ireo fitaovana natolotra niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT