AMBAVAHADITOKANA ITAOSY

Hisokatra amin'ny taom-pianarana vaovao ny CEG sy ny Lisea


  • Zoma 04 Jolay 2025

Afa-pahasahiranana tanteraka ireo Ray aman-dReny mampiana-janaka ao anatin'ny Kaominina

ambanivohitr'Ambavahaditokana, distrikan'Atsimondrano. Hisokatra amin'ny taom-pianarana vaovao 2025-2026 ho avy io avokoa mantsy ny CEG manara-penitra vaovao sy ilay Lisea vaovao izay samy naorina ao amin'ny Fokontany Amboatavo. Ho an'ny Ceg manara-penitra manokana dia nambaran'ny Ben'ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis fa ahitana efitrano fianarana miisa 2 izy io, mahazatra mpianatra 50 avy. Efa mandeha ny ady fototry ny trano fianarana, haharitra 2 volana. Mikasika ilay Lisea vaovao indray dia efa kely sisa ny asa raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana hatrany. Ato anatin'ny 2 volana ihany koa dia ho vita tanteraka izy io. Tsiahivina moa fa marobe tamin'ireo mpianatra tao amin'ity kaominina ity teo aloha no mandeha manenjika lisea eto an-drenivohitra izay tsy maintsy hanomanana 5.000 Ar isaky ny mpianatra isan'andro hatao sakafo atoandro sy saran-dalana.
Pati
Légende : Izy no Ratoetrarinanja Jean Louis, Ben'ny tananan'Ambavahaditokana Itaosy!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT