AMBAVAHADITOKANA ITAOSY

Hahazo lisea vaovao ny kaominina


  • Alarobia 14 Mey 2025

Hahazo lisea vaovao ny Kaominina Ambavahaditokana Itaosy, distrikan’Atsimondrano.

Ao amin’ny Fokontany Amboatavo no hanorenana izany ahitana efitrano miisa 6, 3 ambony, 3 ambany. Hamaha olana ny lafiny fampianarana sy fanabeazana ao anatin’ity kaominina ity ny fijoroan’izao foto-drafitrasa goavambe izao. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis mantsy dia misy miampita rano, mandany saran-dalana mamonjy lisea any an-drenivohitra ireo mpianatra ao aminy hany ka tena mahatsiaro ho sahirana ny Ray aman-dReny. Fampanantenana nataony tamin’ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana Ben’ny tanana farany teo moa ity lisea iray vaovao vao hatsangana ity. Tsiahivina fa ezahina hovitaina amin’ny taom-pianarana 2025-2026 ny foto-drafitrasa. Vatan-dehilahy miisa 400 kosa nifanome tanana tamin’ny ady fototra izay volan’ny kaominina madiodio raha ny solombavambahoaka kosa no hanome tanana amin’ny fampitaovana.
Pati
Legende : Ratoetrarinanja Jean Louis, Ben’ny tananan’Ambavahaditokana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT