Ambatolampy Tsimahafotsy

Hampitomboana ny


  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

fanabeazana amin'ny vaky boky

Nandray anjara tamin’ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny boky ny fikambanana Mii’zara, raha ny fampitàm-baovaon’izy ireo ny faran'ny herinandro teo. Teny amin’ny EPP Ambodifasina no nanatanterahana izany niaraka tamin’ireo mpianatra tao an-toerana. Nisy ny fanatanterahana fanentanana samihafa toy ny dihy sy lalao isan-karazany fa teo indrindra ihany koa ny vaky boky. Nisy koa ny fifaninanana mamaky boky. Nanodidina ny 200 isa teo ireo ankizy nandray anjara tanatin’izany. Teo ambanin'ny fiahian'ny ben'ny tanàna Ambatolampy tsimahafotsy no nanatontosàna ny hetsika. Isan’ny fomba nanentanana ireo ankizy hamaky boky ny nanaovana izany ho endrika fifaninanana. Tanjona, araka izany, ny hitarika ny ankizy ho tia mamaky boky. Misy ny tetikasa iarahan'ny Mii'zara sy ny kaominin’ Ambatolampy tsimahafotsy hanangana tranomboky ho fampiroboroboana izay fitiavan’ny mpianatra mamaky boky izay indray, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray. Hampitomboana, araka izany, ny fanabeazana amin'ny vaky boky ao Ambatolampy Tsimahafotsy.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT