Raha ny ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika dia mitotaly 280 ireo oniversite ara-dalàna eto Madagasikara ary miisa 1065 ireo fampianarana azo atao eny amin’ny anjerimanontolo eny.
Marihina moa fa ny 120 amin’ireo no tsy miankina amin’ny fanjakana. Raha ny zava-misy ankehitriny anefa dia saika mameno ny elakela-trano ireo oniversite tsy miankina ary efa nilaza moa ireo minisitra nifandimby fa izay tsy afa-manaraka ilay rafi-pampianarana LMD dia tsy hahazo alalana avy amin’ny minisitera ary mety hiafara amin’ny fanakatonana. Raha bangoina fohy ny maha samy hafa ity rafi-pampianarana vaovao niatomboka teny amin’ny oniversitem-panjakana nanomboka ny taona 2012 ity sy ny teo alohany na ilay antsoina hoe “Systeme classique” dia maro lavitra ireo karazana fampianarana na “module” ho an’ny rafitra LMD raha toa ka vitsy kosa ny tamin’ny teo aloha. Izany hoe raha miisa 10, ohatra, ny tamin’ny Systeme classique” dia eo amin’ny 30 isa eo ny an’ny vaovao. Voafakafaka lavitra kosa anefa (bien approfondi ) ireo taranja tamin’ny rafitra teo aloha raha toa ka torolalana no tena omena amin’ny vaovao ary anjaran’ireo mpianatra no mameno ny ankamaroan’ireo banga. Vidiana ny ora hianarana amin’ny rafitra vaovao. Io ilay antsoina hoe “crédit” ary ilana fampitaovana maro, indrindra, ara-teknolojika izany satria mitombo lavitra noho ny teo aloha ny fikarohana tsy maintsy atao. Hany tombony ho an’ny oniversitem-panjakana raha mitaha amin’ireo tsy miankina sisa dia ny fahazoan’izy ireo izay fampitaovana izay na dia mampitaraina ireo mpianatra ho tsy ampy betsaka aza sy ny fahazoan’izy ireo vatsim-pianarana ihany koa. Misy amin’ireo mpianatry ny anjerimanontolom-panjakana no voatery manofa trano satria mpila ravinahitra avy any amin’ny faritra ankoatr’ireo fandaniana hafa tsy maintsy atao amin’ny fianarany. Miha sarotra avahana, araka izany, ny oniversitem-panjakana sy ny tsy miankina ary mampametra-panontaniana hoe hanena ny isan’ny tsy miankina ve ny minisitera ary hamadika tsikelikely ireo oniversitem-panjakana ho lasa handoavam-bola ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.