Fampianarana

Alliance française de Tananarive Mpianatra 7268 no niatrika fanadinana ny taona 2021


  • Alatsinainy 28 Febroary 2022

Hasiam-panitarana ny Alliance Française de Tananarive (AFT) etsy Andavamamba. Ny faran'ny herinandro teo no nametrahana ny vato fototry ny asa fanamboarana,

hetsika tafiditra tao anatin'ny fankalazana ny faha-75 taonan'ny AFT. Tonga nanokatra ny fotoana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Ministry ny kolontsaina izay samy nahatsapa ny lanjan'ny Aft amin'ny resaka fanabeazana eto amintsika. Zanaka malagasy maro tokoa mantsy no efa nahazo tombontsoa tamin'izany. Raha niisa 4496 ireo mpianatra niatrika fanadinana tao amin'ny Alliance tamin'ny taona 2020, dia tafakatra 7268 izany tamin'ny taona 2021. Ezahina hatrany ny hanampy ireo ankizy sy tanora malagasy amin'ny fifehezana ity tenim-pirenena iray ity. Marihina moa fa anisan'ireo 10 voalohany ao anatin'ireo Alliance française miis 830 manerantany ny alliance Française d'Antananarivo.Mbola izy ihany koa no voalohany eto amintsika amin'ireo alliance française miisa 29 manerana ny Nosy. Tsiahivina moa fa haharitra volana maromaro ity fankalazana ny faha-75 taonan'ny Alliance Francaise d'Antananarivo ity. Hisy ny fampirantiana an-tsary mandritra izany entina hampahafantarana ny lalana nodiavin'ny Alliance Française sy ireo mpitantana nifandimby tao aminy.
Pati
Legende : Raharinosy Monique, filohan'ny filan-kevi-pitantanana eo anivon'ny Alliance Française d'Antananarivo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT