Fampianarana

ALFA, mpianatra nahay indrindra tamin’ny bakalorea Handeha hisolo tena ny zaza Malagasy any New York


  • Zoma 16 Septambra 2022

Hotanterahina any New York ato ho ato ilay fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana ny fanabeazana karakarain’ny fandaharan’asa CERES sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.

Samy hanana solontena amin’izany avokoa ireo firenena rehetra voakasika sy miara-miasa amin’ity fandaharan’asa iray ity ka ho antsika eto Madagasikara dia i Alfa, tovolahy iray 18 taona avy any Nasandratrony Fianarantsoa no hisolo tena antsika. Raha tsiahivina kely ny tantara dia noho ny fanohanan’ny fandaharan’asa CERES no nahafahan’i Alfa nanohy ny fianarany. Tsy nanana izany maripahaizana Bakalorea izany akory izy raha tsy nisy ity fandaharan’asa iray ity. Niezaka ny nilofo tamin’ny fianarana izy noho izany ka izy no nahay sy tsara naoty indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana bakalorea ankapobeny farany teo teto Madagasikara.Handao ny tanàna niaviany ao Nasandratrony Fianarantsoa araka izany ny anaolahy ka hisolo tena ny zaza Malagasy ary hitondra ny feon’ireto farany any New York amin’ny fihaonana an-tampony momba ny Fanavaozana ny Fanabeazana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT