Fampianarana

ALASORA Misy sekoly tsy ara-dalàna maka vola amin’ireo raiamandreny


  • Alatsinainy 20 Jona 2022

Tena mitady izay fomba rehetra mba hahazoam-bola mihitsy ireo mpisoloky eto amintsika amin’izao.

Sekoly iray milaza ho ara-dalana efa nampianatra ankizy kilasy voalohany ka hatramin’ny kilasy fahadimy tao amin’ny Fokontany Ambatomalaza, kaominina Alasora no fantatra na namitaka ireo mpianatra tao aminy sy ny raiamandrenin’ireto farany. Tapitra nakany saram-pianarana isam-bolana sy vola ilaina hiatrehana ny fanadinam-panjakana avokoa mantsy ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra nefa nanjavona tsy hita ilay tompon’andraikitry ny sekoly avy eo. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy dia nanofa trano no nahatongavan’ny tompon’ity sekoly mpisoloky ity teny an-toerana. Tsy nahaloa hofantrano anefa izy ireo ka voaatso ilay tompon’andraikitra ary nanjavona tsy hita ka nijanona teo ilay fampianarana. Volan’olona marobe anefa no efa noraofiny na izany aza, ka voatery ny kaominin’Alasora no namaha ny olana. Natsofotsofoka tany amin’ireo EPP mbola afaka nandray misy ao an-toerana avokoa noho izany ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE rahampitso talata 21 jona. Tsiahivina moa fa ny ZAP no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanaraha-maso ireny sekoly tsy ara-dalana ao anatin’ny kaominina ireny. Manaraka azy ny fari-piadidiam-pampianarana, ny DREN ary ny Ministeran’ny Fanabezam-pirenena. Tena ny ho avin’ny ankizy mpianatra mihitsy mantsy tandindomin-doza, raha tahaka izao foana no zavatra hitranga sy hiainana eto.
Pati
Legende : Izy no Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT