ALASORA, AMPITATAFIKA, TALATAMATY

Hanome sakafo ireo mpiadina hiatrika CEPE


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Toy ny fanaony isan-taona dia ne sakafo ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE hotanterahina

manerana ny Nosy ny 18 Jona ho avy izao ny kaominina maro eto amintsika. Voakasik’izany manokana ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano, ny kaominina ampitatafika distrikan’Atsimondrano, ny kaominina Talatamaty….Ho an’ny kaominina Alasora manokana, dia nambaran’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy fa an-jatony ireo mpiadina hahazo tombony amin’izany. Am-polony ihany koa ireo mpampianatra sy mpandraharaha hovatsiana sakafo atoandro mitovy amin’ireo mpianatra ireo ho fanamaivanana ny fahasahiranany sy ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReny. Mbola ho an’Alasora ihany dia fantatra fa horaisin’ny kaominina an-tanana ihany koa ny fanaterana ny taratasim-panadinana any Ankadikely Ilafy. Tsy hay hoy ny Ben’ny tanana na ilay fanjakana no tsy manam-bola na ahoana fa fangatahan’ireo mpampianatra sy mpandraharaha aty aminay io dia hataonay rehefa mahasoa ny vahoaka.
Pati
Legende : Hahazo sakafo atoandro mitovy tahaka izao avokoa ireo mpanala CEPE ao Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT