Fampianarana

ALAOTRA MANGORO Mpampianatra 391 isa voaray ho mpiasam-panjakana


  • Zoma 05 Mey 2023

Midina ifotony ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrarimalala amin’izao ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana.

Taorian'ny faritra Atsinanana dia ny faritra Alaotra Mangoro indray no notsidihiny omaly. Ankoatra ny fitokanana ny sekoly manara-penitra EPP ao Ambohipasika dia nisy ny fizarana ny taratasy fifanarahana arak'asa ho an'ireo mpampianatra miisa 391 avy amin'ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro.Nanolotra izany ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena notronin'ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao an-toerana. Nanome toky araka izany ireo mpampianatra nahazo tombontsoa fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny adidy masina hiandraiketany ho fanasoavana ny zaza Malagasy.Tetsy ankilany, nitsodrano azy ireo hahatontosa hatramin'ny farany ny adidy aman'andraikitra sahanin'izy ireo ho an'ny zaza Malagasy ny Tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazam-pirenena Malagasy. Notanterahina nandritra ny lanonana ihany koa ny fizarana bisikileta miisa 786 ho an'ireo mpampianatra mendrika sy ireo mpianatra sangany any an-toerana. Marihina moa fa ahitana efitrano fianarana miisa 2 ity EPP vaovao, vao notokanana ity. Novatsiana dabilio 48 isa sy latabatra natokana ho an'ny mpampianatra miisa 2 ihany koa ilay sekoly.

Nangonin’i Pati

Legende : Nandritra ny fanolorana ny taratasy fifanarahana ho an’ireo mpampianatra

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT