Akany zandarimaria Arivonimamo

Nahazo fanampiana avy any Sina ireo zaza kamboty


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Tonga nanolotra fampitaovana ho an'ny Akany Zandarimaria ao Arivonimamo tamim-pomba

ofisialy ny Ambasadaoron'i "Chine" miasa eto amintsika, Atoa hajaina Ji PING, afak’omaly sabotsy 01 jona. Anton-diany tamin’izany ny nanolotra fitaovana miompana amin'ny fikirakirana ny haitao ara-kajy mirindra, vata fampangatsiahana, baolina sy sakafo...sns. Nisitraka fitsaboana maimaim-poana avy amin'ireo misionera ara-pahasalamana sinoa koa ireo ankizy am-polony beazina ao an-toerana. Izany no natao dia mba ho fitsinjovana ireo zaza kamboty sy hanamafisana ny fiaraha-miombon'antoka eo amin'ny Zandarmaria Malagasy sy ny Fanjakana Sinoa .Notohizana tamin'ny fitsidihana ireo foto-drafitr'asa misy ao amin'ny Akany ny fotoana ka hita fa miezaka tokoa ny Zandarimaria hanome fanabeazana sy fiahiana mendrika ho an'ireo dimby nilaozan-dray tsy satry. Nanotrona ny fotoana ny Filohan'ny Antenimieran-doholona sy ramatoa vadiny .
Pati
Legende : Nahazo fanampiana tahaka izao ireo zaza kamboty
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT