Fampianarana

AKAMA 67 ha Afaka BEPC avokoa izy 7 mianadahy


  • Zoma 15 Jolay 2022

Tena fahombiazana tanteraka ny an’ny AKAnin’ny MArenina etsy amin’ny 67 ha nandritra ireo fanadinam-panjakana roa notanterahin’ireo mpianatra tao aminy.

Ho an’ny CEP ohatra dia 100 % ny vokatra azo raha toraka izany ihany koa ny fanadinam-panjakana BEPC. Afaka avokoa izy 7 mianadahy niatrika izany ho an’ity farany na dia nisy aza ireo nanana olana tamin’ireo taranja sasantsasany. Anisan’ireny ohatra ny taranja kajy, ny taranja frantsay…Na izany aza anefa dia natokana efitrano izy ireo nandritra ny fanadinana ary nohazavaina tamin’ny alalan’ny tenin’ny tanana ny laza adina natrehin’izy ireo. Marihina moa fa mihoatra ny 5 ihany koa ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea amin’io herinandro ho avy io ho an’ny AKAMA hatrany.
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT