AKAMA 67 HA

100% ny taham-pahafaham-panadinana CEPE


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Toy ny isa-taona dia tsara hatrany ny voka-panadinana CEPE ho an’ny Akanin’ny

Marenina etsy amin’ny 67 ha. 100% indray ny vokatra tamin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity, raha ny vaovao azo. Afaka soa aman-tsara avokoa ireo 14 mianadahy niatrika izany ny 18 Jona lasa teo.Mankasitraka feno ireo mpanabe rehetra sy ny ray aman-dreny niara-nisalahy nahazoana ny vokatra ny Akanin’ny Marenina 67 ha. Nambaran’izy ireo moa fa tsy mitsahatra ny manatsara ny fomba fampianarana ao anatin'ny fivoizana ny fampiatiana ny sekoly tantanany satria "ny sekoly mahomby dia izay mahatafita ny mpianatra rehetra tsy ankanavaka" . Mbola maromaro moa ireo mpianatra ao amin’ny taona fahasivy hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC amin’ity taona ity ho an’ny AKAMA ihany. Efa vonona tanteraka ny hiatrika izany izy ireo, raha ny vaovao azo.
Pati
Legende : Ireo mpianatra afa-panadinana CEPE tao amin’ny sekoly AKAMA 67 ha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT