Fampianarana

Afaka bakalorea 2020 sy 2021 “Tena tsy mitombina ny fampidirana azy ireo miaraka”


  • Zoma 12 Novambra 2021

Mbola adihevitra tsy mety tapitra hatramin’izao ny fisian’ny fifanitsahan’ireo mpianatra afaka bakalorea tamin’ny taona 2020 sy 2021 tokony hiditra ny amin’ny Oniversitem-panjakana.

 Sarotra sy tsy mitombina ny ahafaha-mampiaraka azy ireo hiara-hiditra eny amin’ny Anjerimanontolo, raha ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra mpikaroka. “Ho an’ny taom-pianarana 2020-2021 dia iaraha-mahalala fa toa tsy voalazan’ny Minisitera mpiahy ny momba izany, fa toa mitsambikina any amin’ny taom-pianarana 2021-2022. Ny zava-misy anefa izao hoe: ny fanomanana izay natao tamin’ny fidirana 2021-2022 dia ho an’ny mpianatra izay afaka bakalorea tamin’ny 2020. Noho izany, mbola tsy nisy fijerena manokana ho an’ny mpianatra 2021 izay tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny fidirana taom-pianarana 2021-2022”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo Atoa Ravelonirina Sammy Grégoire omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Mihevitra ny SECES, fa mba tompon’andraikitra mahalala ny tokony hataony ny eo anivon’ny minisitera sy ny mpitantana ny Oniversite 6 ka manantena izahay fa amin’ny volana desambra 2021 na janoary 2022, dia tokony hisy COPRIES (Conférence des Présidents des Institutions d’Enseignement Supérieur) na “COPRIES mivelatra” handinihina ny momba ireo mpianatra afaka bakalorea tamin’ny taona 2021 fa raha toa ka tsy izay no miseho dia heverinay fa hadisoan-kevitra sy famonoana ny zana-bahoaka, hoy hatrany ny Filohan’ny SECES. Notsipihiny rahateo, fa tsy mitombo fa miha mihena aza ny toeram-pianarana, ka tsy mitombona ny fandraisana miaraka ny andiany roa indray mihira (2020 sy 2021). Ny azo atao, dia mba elanelanina roan a telo volana ny fampidirana azy ireo. Ho an’ny mpianatra taona voalohany sy faharoa no tena misy olana, fa ny taona fahatelo mba efa vitan’ny efitrano kelikely, hoy ny fanehoan-kevitry ny Pr Ravelonirina Sammy Grégoire.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT