ADY AMIN’NY FAHANTRANA

Namoaka tanora mpandraharaha 140 ny Globo Vision


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Namoaka tanora mpandraharaha 140 isa ny Globo Vision Developpement a Madagascar,

tarihin’ny filoha tale jeneraliny Rasolofonoroniaina Julia Mickaelle. Ny Sabotsy 27 Janoary lasa teo no nanatanterahana izany tetsy Anosy Atsinanana izay mbola narahin’ny fizarana ny tsiambarantelon’ny fahatafitana amin’ny fiainana niarahana tamin’ny filohan’ny fandraisana fitarainana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika Rakotomanana Richardson. Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina tale jeneraly lefitry ny Globo Vision nandritra izany fa noho ny fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena no nanosika azy ireo hanofana tanora ho lasa mpandraharaha tahaka izao izay tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa ankapoben’ny Fitondram-panjakana. Tsy mahavelona intsony ny karama isam-bolana raha eto Madagasikara hoy izy vokatry ny fitontongan’ny sandambolantsika. Tsy maintsy tadiavina araka izany ny hevitra hanavotana ireo tanora tsy an’asa hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina mba tsy hifanomezana tsiny lava eto. Anisan’ny mampiavaka azy ireo manokana ny fitrandrahana ny harena voajanahary toy ny harena ankibon’ny tany, ny fanodinana ireo karazam-bokatra misy ary ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana. Noketrehin’izy ireo tamin’izany ihany koa ny fampianarana ireo tanora mba tsy hifidifidy asa, izay tena fototry ny fahantrana misy eto Madagasikara. Tsiahivina moa fa nampianarina ireo tanora miisa 140 ireo ihany koa ny fanovana toe-tsaina, ny fahaizany miserasera aman’olona…Hiresaka amin’ireo orinasa lehibe misy eto Antananarivo sy ny manodidina araka izany izy ireo mba hifanohana aminy amin’ny fandraisana ireo tanora mpandraharaha mendrika ireto.Tsy nisy sivana na fijerena diplaoma, tsy nanavahana fiaviana sy firazanana ihany koa ny nandraisana azy 140 mianadahy ireo, tanora 18 ka hatramin’ny 74 taona.
Pati
Legende : Ireo tanora mpandraharaha navoaka, notronin’ny filoha tale jeneraly lefitra eo anivon’ny Globo Vision Developpement a Madagascar !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT