Fampianarana

ADPM-Vovom-pirenen’ny sekoly tsy miankina


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Mahatratra 50% ny fihenan’ny tahan’ny fidirana an-tsekoly”

Mihena an-toerana toy ny fen’antitra ny tahan’ny fidiran’ny mpianatra an-tsekoly vokatry ny fahantrana mihana eto amintsika. Ny eny anivon’ny tontolo ambanivohitra no lohalaharana amin’izany raha araka ny tatitra nataon’ireo vondron’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny "Plateforme de la direction nationale de l’enseignement privé" sy ny ADEPM. Nambaran’izy ireo fa noho ny fitotonganan’ny fampianarana sy ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny no antony lehibe mahatonga izany. Manampy trotraka ny fiakaran’ny vidin’ny fitaovam-pianarana isan-taona izay efa nahatratra hatrany amin’ny 20% mahery tamin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity. Eo ihany koa ny fisian’ny vola aloha hatrany eny anivon’ireo sekolim-panjakana izay manomboka amin’ny 40.000 Ar ka hatramin’ny 80.000 Ar ho an’ny eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra, ny CEG ary ny lisea. Tsiahivina moa fa raha ny fanabeazana no antoky ny fampandrosoana ny firenena iray dia efa karazan’ny fanabadoana ny zaza Malagasy mihitsy ny zava-misy eto amintsika. Hakarina ny vidin’ny fitaovam-pianarana, tsy manana asa mahavelona ny Ray aman-dReny …politika iray hampihenana ny fahaizan’ny taranaka mba hahafahan’ny sasany manjaka hatrany.
Pati
Legende : Na ny eny anivon’ny sekolim-panjakana aza amin’izao mikolay noho ny fihenan’ny isan’ireo mpianatra tonga mianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT