Fampianarana

Adina fanatanjahantena BEPC tetsy Mahamasina Saika tsy nanomboka, nitaky ny tambin-karamany ny mpanadina


  • Talata 06 Aogositra 2019

Raikitra ny savorovoro tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo satria dia saika hikomy tsy hanomboka ny fanadinana ireo mpitsara ny

 

taranjam-panatanjahantena amin’ny fanadinam-panjakana BEPC raha tsy nalamina ny resaka tambin-karama tsy azon’izy ireo na “vacation”. Teny an-toerana moa ny tompon’andraikitry Cisco Tanà ville, Lalaina Harintsoa Ramananantony, sy ny DRNTP ary ireo mpiara-miasa aminy niezaka nandamina ny raharaha. Araka ny fanazavana dia ireo mpiadina avy amin’ny ivontoeram-panadidinana LMA sy lisea Andohalo ireto nitaky ny anjara tambin-karamany ireto ary efa mandeha ny fifampiraharahana ka ezahana ho azon’ireto mpanabe ireto ao anatin’ny fotoana fohy izay tambin-karama izay. Misy ny komisionina miandraikitra manokana izany. Tetsy an-kilany kosa ny filohan’ireo mpitsara fanadinana dia namerina fa tokony hojerena io ary hefaina aloha ireo efa tamin’ny herintaona sady karakaraina koa ny amin’ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT