ADINA ARA- PANATANJAHANTENA BEPC

Nitrangana toe-javatra hafahafa tany Ambohidratrimo


  • Alarobia 07 Mey 2025

‎ ‎Nitrangana toe-javatra hafahafa tany Ambohidratrimo omaly Talata 06 May

maraina nandritra ny fanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena BEPC. Tany ivelan’ny tamboho no nalamina ireo mpiadina hoy ny vaovao ka teny ambony tamboho ireo tompon’andraikitra no nanome ny toromarika ho an’ireo mpiadina."Avy mantsy ny orana afak’omaly Alahady ka mbola nokarakaraina ny kianja feno rano mba tsy hampibolisatra", hoy ny mpampianatra, mpitsara iray. Nisy tompon’andraikitra iray voalaza ho niditra voalohany ny kianjan’Ambohitahara hoy ny vaovao. Ny nahavariana ireo mpiadina sy ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra anefa hoy hatrany ny vaovao dia nisy mpiadina iray nantsoiny niditra tao anatin’ny fiarany no sady nanolotra ny taratasy momba azy rehetra. Ireo mpiadina hafa rehetra sy ny Ray aman-dReniny anefa tsy nisy nahazo niditra fa nijanona teny ivelany avokoa ka velom-panahiana ny rehetra. Fantatra moa fa nahita ity tranga ity avokoa ireo rehetra nanatrika ity adina ara-panatanjahantena natao tao Ambohidratrimo nanomboka omaly ity.
Pati
Legende : Nandritra ilay adina ara-panatanjahantena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT