Fampianarana

Adina ara-panatanjahantena bakalorea Tsy nomena “convocation” ireo tsy nahaloa ekôlazy


  • Talata 28 Aogositra 2018

Notanterahina nanomboka omaly alatsinainy 27 aogositra ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea ho an’ny sokajy rehetra. Hifarana ny 7 septambra ho avy izao ny eto an-drenivohitra.

 Telo  ireo tsy afaka  niatrika mihitsy omaly tetsy Mahamasina. Ny iray nianjera tamin’ny môtô ka tsy afaka mihazakazaka, ny iray efa narary ela raha nanana olana hafa  kosa ny iray. Voatery hiatrika ny adina am-bava ny roa amin’izy ireo. Ankoatra izay, betsaka tamin’ireo mpiadina ihany koa no tsy tonga ankoatra ireo tsy nomen’ny sekoly nianarany taratasy fiantsoana. Voakasika manokana ny sekoly tsy miankina. Ho an’iretsy voalohany dia nambaran’Andriamatoa Rakotondranaivo Benja, lehiben’ny foibem-panadinana fa mbola afaka miatrika ny adina ara-panatanjahantena izy ireo saingy tsy maintsy mitondra taratasy ara-dalàna manazava ny antony tsy nahafahany omaly. Ho an’ireo tsy nomen’ny sekoly taratasy fiantsoana noho ny resaka ekôlazy… dia  manao antso amin’ireo izay nanao ilay fihetsika ity tompon’andraikitra ity mba handamina ny olana misy eo amin’ny roa tonta hahafahan’ireo mpiadina miatrika amim-pitoniana ny fanadinana. Ho an’ireo mpiadina tsy salama tampoka kosa eo am-panaovana ny adina dia nanambara ity tompon’andraikitra ity  fa efa manana dokotera afaka hiandraikitra izany izy ireo ka tsy misy hatahorana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT