ADINA ARA-PANATANJAHANTENA BAKALOREA

Nanomboka omaly ny teto an-drenivohitra


  • Talata 11 Jona 2024

Nanomboka omaly Alatsinainy 10 jona ny adina ara-panantajahan-tena Bakalorea ho an’ny eto an-drenivohitra.

Milamina ny fiatrehana izany amin’ny ankapobeny satria dia feno tanteraka ny fepetra. Ahitana mpitsabo sy ny mpitandro ny filaminana eny amin’ny toerana hanatanterahana izany toy ny hita tetsy amin’ny ANS Ampefiloha manokana. Tsy nahitana mpianatra bevohoka na narary aloha ny andro voalohany omaly teo am-panatanterahana ny fanadinana. Tsiahivina moa fa mila mitondra taratasy fiantsoana sy « carte d'identité scolaire" ireo mpiadina mbola tsy feno taona. Kara-panondrom-pirenena kosa ho an'izay efa feno taona rehetra. Nisy ihany moa ireo nanadino izany ho an’ny toerana sasany ka nasaina niverina izy ireo ny hariva. Tsy nahazo niditra tao anaty kianja moa ireo mpanaraka ny mpanala fanadinana fa niandry teny ivelany teny hisorohana ny olana mety hitranga toy ny fahaverezan-javatra….
Pati
Legende : Mpiadina am-polony maro omaly no niatrika ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea tetsy amin’ny ANS Ampefiloha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT