Fampianarana

Adina ara-panatanjahantena bakalorea Mbola misy ireo tsy nahazo taratasy fiantsoana


  • Alakamisy 25 Mey 2023

Hanomboka amin'ny herinandro ho avy io ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea eto amin’ny Faritanin’Antananarivo.

Ny mahavariana anefa hoy ireo Ray aman-dReny sy mpiadina sasany dia mbola maro amin’ireto farany no tsy nahazo taratasy fiantsoana.Efa nanao fitarainana teo anivon’ny ofisy misahana ny Bakalorea ny sekoly misy azy ireo ka fantatra tamin’izany fa vokatry ny ny antontan-taratasy tsy hita sy nikorontana no nahatonga izany. Nilaza noho izany ireo sekoly ireo fa efa namaha ny olana ny ofisy saingy mbola tsy nahazo taratasy fiantsoana ireo mpianatra hatreto. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ary fa mbola manana herinandro ny ofisy handefasana ny taratasy fiantsoana ka tsy tokony hitaintainabe ireo mpiadina sy ny Ray aman-dReny. Nohamafisin’ity tompon’andraikitra ity moa na dia izany aza fa mandeha araka ny tokony ho izy ny fikarakarana ny fanadinana Bakalorea taona 2023. Efa nanomboka omaly hoy izy ny fizarana ny valopy hasiana ny laza adina. Ny 17 ka hatramin’ny 21 jolay ho avy izao moa no hanatontosana ny adina an-tsoratra ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea manerana ny Nosy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT