Fampianarana

400 000 Ar ny saram-pisoratana anarana Nigrevy ny mpianatry ny ENS


  • Talata 20 Jona 2017

Nitokona ny mpianatra teny amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha omaly, ka raikitra ny fanakanan-dalana sy fandorana kodiarana teny an-toerana.

 

 Anton’izany ny fahatsapan’izy ireo fa midangana loatra ny saran’ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra manomana ny “Masters”. Ho an’ny M1 dia 240 000Ariary izany raha toa 400 000Ariary kosa ho an’ny M2. Tsy zakanay izany fa mavesatra loatra, hoy ireo mpianatra. Fantatra ny hampiasana azy toy ny resaka aterineto, saingy tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mpianatra, ka izay no antony nampitroatra azy ireo. Efa niatrana teny an-toerana ihany koa ireo mpitandro ny filaminana, ka niverina niditra tao amin’ny faritry ny sekoly ireo mpianatra nanohy ny hetsika. Hatramin’ny nampidirana ny rafi-pampianarana LMD (Licence Masters Doctorat) no nampidangana ny saram-pisoratana anarana teny anivon’ny anjerimanontolom-panjakana teto amintsika, ka zary lasa vesatra ho an’ny mpianatra. Efa naneho hevitra mikasika ity rafi-pampianarana ity ny Fikambanana Andrianiko ny Tanindrazako tarihin-dRajoroarisoa Andrianina, ka nilaza fa tsy mahomby eto Madagasikara ny rafi-pampianarana LMD, izay mitaky fandaniana bebe kokoa kanefa ny ankamaroan’ny tanora Malagasy tsy maharaka ka tsy afaka mamita ny fianarany hatramin’ny farany. Tsy tokony hahamaika ny fanjakana ny fampiharana azy io fa ny mitady rafitra mifanaraka amin’ny fari-piainan’ny Malagasy no himasoana. Mitotongana tanteraka ny faripahaizan’ny Malagasy hatramin’ny nampidirana ny LMD ary mitombo ny tahan’ny tsy fananan’asa, araka ny fahitan’izy ireo azy. Zava-dehibe ny fandinihina sy fandalinana mialoha ny mety ho olana amin’ny fampiharana ny rafitra tahaka izao, mba tsy vao mainka ho lasa olana, ary tompon’andraikitra feno amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra, indrindra ny hoenti-manana amin’ny fampiharana ny rafitra vaovao tahaka izao ny fanjakana. Ny eto amintsika mantsy toa teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza kanefa ny fomba hoenti-miatrika azy na ara-pitaovana na ara-teknika tsy misy, ka zary lasa kitsapatsapa fotsiny.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT