30%-N’NY MPIANATRA NO MAHALOA EKOLAZY

Mitaraina ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Mila tsy hahodina ny raharaha eo anivon’ny sekoly intsony ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto amintsika.

Vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny mantsy dia zara raha mahatratra ny 30%-n’ireo mpianatra sisa no mahaloa saram-pianarana ara-dalana. Ny ankoatra izay dia saika mangatak’andro avokoa raha mbola tsy ampy fitaovam-pianarana ihany koa ny zanany. Tamin’ity taom-pianarana vaovao 2023-2024 raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly iray no tena mafy sy sarotra indrindra. Eo an-daniny anefa hoy izy dia mampalahelo raha horoahina ireo mpianatra satria mba te-hanovo fahalalana sy te-ho tafita ihany koa. Toraka izany ireo Ray aman-dReny izay nambarany fa tena manam-piniavana hampianatra ny zanany ny ankamaroany saingy ilay fahafahana no tsy misy. Tsy maintsy hatontona any amin’ny hanin-ko hanina isan’andro izay vola azo raha toraka izay ihany koa ny fitsaboan-tena raha sanatria tojo tsy fahasalamana. Ilay vidin’entana anefa tsy mitsaha-mitombo hany ka raha mba afaka nanangona 500 ka hatramin’ny 1000 Ar isan’andro teo aloha mba hatao saram-pianaran’ny ankizy dia tsy misy intsony izany ankehitriny. Efa misy amin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra sahady moa no tsy nahaloa saram-pianarana roa volana amin’izao hoy hatrany ity talen-tsekoly iray ity na dia vao manomboka aza ny taom-pianarana.
Pati
Legende : Tsy mahaloa saram-pianarana ny ankamaroan’ny mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT