Ny vokatra tamin’ny asany no hitsarana ny olona tsirairay, fa tsy ny kabary sy ny teny fampanantenana nataony.
Tsy mahomby intsony ny resabe tsy mamokatra, ary efa manomboka tonga saina amin’io ny vahoaka. Efa ataon’ny olona fihomehezana sisa, ka asa mba efa tonga saina amin’ireny ve ny Fanjakana ankehitriny? Tsy handeha lavitra isika fa raha ny tamin’ity taona ity fotsiny izao dia mby aiza ny tetikasa PEM nambara fa hampahafantarina ampahibemaso aoriana kelin’ny 19 janoary? Rehefa nafana ny toe-draharaha, ketraka ny Fanjakana, dia notanisaina daholo izao tetikasa mamirapiratra izao: lalambe migodana na “autoroute” Antananarivo-Toamasina sy Andohatapenaka-Imerintsiatosika, tramway sy téléphérique na fitaterana mihatona eto Iarivo,… Etsy ankilany, mandeha ny tsindry avy amin’ny sehatra maro, tezitra amin’ny Fanjakana ny mpisehatra amin’ny fizahantany, manangam-bovona ny avy amin’ny fampianarana tsy miankina, mitaky ny volany ireo mpanamboatra làlana toa narirarira efa volana vitsivitsy izao,… Ny resaka vahaolana ara-tsosialy moa tsy resahina intsony. Ny valanaretina coronavirus, dia mampiteny ny moa na ny zava-miseho, tsy takona hafenina ny lesoka, lasa tsy “produit de luxe” tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka ny fahasalamana ka naman’ny eny antokontanim-pasana ka miantehitra amin’ny vintana sy ny anjara ny ilan-tongotr’izay tsy mba manam-bola. Na mbola afaka 60 taona aza i Madagasikara tsy handroso izany, raha io fomba fiasa manao zavatra vao mandinika, tsy mahalala ny tena laharam-pahamehana, manao eritreritra misavoamboana tsy mijery lavitra,… no hoenti-mitantana an’i Madagasikara, hany ka toa voaviravira ny firenena. Tena mila olona afaka hampiray saina, tena mpitarika “leader” mahalala ny tena olan’ny firenena, mahay miaiky sy vonona hanarina ny lesoka,… fa tsy hanandran-tena sy hizahozaho mandrakariva na efa miharihary aza ny tsy fahombiazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.