Edito

Tsy voahaja eto Madagasikara


  • Zoma 19 Febroary 2016

Omaly no nankalazaina ny andro eran-tany momba ny zo hitokona.


 Ny fitokonana dia anisan’ny zo iray omen’ny lalàna entina anehoana hevitra. Araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana malagasy andininy faha-10 dia malalaka ny malagasy haneho ny heviny amin’ny endriny rehetra ka tafiditra ao ny zo hitokona. Misy fepetra tsy maintsy hajaina anefa ao anatin’izay dia ny fanajana ny zon’ny hafa sy ny fiantohana ny filaminana sy ny tsy hanelingelenana ny fiarahamonina.

Voalazan’ny Sata afrikanina momba ny zon’olombelona sy ny vahoaka tamin’ny taona 1981 fa malalaka ny zon’ny olombelona tsirairay hahalala vaovao sy haneho hevitra sy hanaparitaka izany saingy ao anatin’ny fanajana tanteraka hatrany ny zon’ny hafa. Ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo maha olona sy ny zo politika tamin’ny taona 1966 izay efa nankatoavin’i Madagasikara ihany koa dia manambara fa tsy misy olona azo ampitahorina noho ny fanehoany ny heviny.

Raha eto Madagasikara no asian-teny dia mbola sarotra ny fampiharana ny zo hitokona izany. Matetika no mifanehitra hatrany amin’ny fandavan’ny fitondram-panjakana ny zo hitokona ka tsy ahazoana alalana hatrany. Tsy azo lavina mantsy fa na ny mpitarika ny fitokonana na ny mpitandro ny filaminana natao handrindra amin’ny trangam-pitokonana dia samy tsy misy mahafehy ny toe-draharaha. Etsy an-kilany, manana adidy ihany koa ny mpanao gazety hampita izay tian’ny mpitokona holazaina any amin’izay iantefany na mpitondra io na mpitantana orinasa. Mbola maro ihany koa anefa no tsy mahafehy an’izay ka matetika tsy tafita ny hafatra tiana hambara.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT