Tsy misy fitsaharana ny fipoiran’ny fitakiana etsy sy eroa.
Araka ny efa nambara teto dia lasa lamaody ihany koa izao ny fidinana an-dalambe ary hita mihitsy fa miha sahy ny olona amin’izao fotoana fa tsy mihemotra intsony manoloana izany lakrimozena na fisamborana izany. Ary manao ny ainy tsy ho zavara ireo sendika isan-tokony amin’ny fitakiana ataon’izy ireo, fa na izany aza anefa, dia tahaka ny tsy mihetsi-bolomaso mihitsy ny filohan’ny tetezamita sy ny ankolafiny, fa dia manohy ny lalan’izy ireo, na dia lalan-tsarotra araka ilay hira aza iny lalana iny. Tsikaritra koa anefa fa tsy hanaiky lembenana ireo mijoro ho tsy mankasitraka ny fitondrana FAT fa dia hanezaka mafy. Ny an’ny sasany dia efa mazava fa tsy mety intsony ny tondrozotra sy ny fiaraha-mitantana, izany hoe tsy manaiky an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita izy ireo fa mila olona hafa.
Mbola tsy nivoaka tamin’ny vavan’ireo mpitarika fihetsiketsehana kosa anefa ilay hoe : ho raisintsika ny fitondrana. Ireo sasantsasany manan-tseza anefa dia milaza fa misy mikasa ny hanongana ny fitondrana mihitsy eto, ary misy mihitsy ny mandrindra ireny fitokonana sy fitakiana ireny, fa tsy tongatonga ho azy izany ireny. Ny foloalindahy ihany koa dia manomboka efa ahitana fihetsiketsehana na dia mbola moramora ihany aza aloha izany. Hatreto, raikitra indray ny fanaovana fanambarana. Mbola tsy nisy kosa aloha ny fanomezana “ultimatum”. Na ahoana nahoana ambara dia tena miankina amin’ny foloalindahy ny mety ho tohin’ny raharaha eto. Mihevitra mantsy ny maro fa mbola manohana an’i Andry Rajoelina, aloha hatramin’izao, ny ampahany betsaka amin’ny foloalindahy ary mbola manaiky ny baiko avy aminy ireo manamboninahitra manana toerana ambony, manatanteraka fotsiny ny ambiny rehetra.
Mbola tsy tena tonga any amin’ny resaka fikomiana isika fa fanambarana etsy sy eroa fotsiny no natao. Tsy mbola fantatra mazava ihany koa ny tena marina amin’ireo hoe manamboninahitra kolonely am-perinasa nanao fanambarana ireo, izy ireo moa dia nilaza fa efa an-dalana ny fandraisana andraikitra ataony. Azo ambara arak’izany fa izay no tsy mbola mampikorapaka ny filohan’ny tetezamita, satria azony antoka fa mbola eo ny foloalindahy hiaro ny fanjakana sy ny fahefana eo am-pelatanany. Tsy misy mahalala ny mety ho avoaky ny ampitso anefa. Filaminana sy fitoniana no andrandraina mba hahafahana manarina ny firenena. Mbola ankamantatra tanteraka anefa ny ho tohin’ny tantara satria maro anaka be ilay krizy mikiky ny firenena. Mihombo ihany koa ny aretina kanefa tsy mety mahita ny fanafody ilay dokotera nilokaloka fa hitety ny vazan-tany efatra hikaroka izay mahasitrana ity firenena ity. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana sy ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita ary ny fanambarana nataon’ny praiminisitra dia hita ho tena mbola ho lava ny lalana ary tena hiha sarotra isan’andro.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.