Edito

Tsirin-kevitra Tia Tanindrazana Kolikoly sy ny voka-dratsiny eto Madagasikara


  • Zoma 30 Mey 2014

Hatrany amin’ny fidirana ka hatren’ny amin’ny asam-panjakàna rehetra, dia feno fanahiana ny ankamaroan’ny olona amin’ny kolikoly.

Iza tokoa moa no tsy efa nahare fa fianakavian’ny “lehibe” ihany no tafiditra eny amin’ireny fifaninanana lehibe eto amin’ny firenena ireny ? Hatrany amin’ny tafika ka mandalo eny amin’ny ENAM sy ny CEDS ? Ireto farany moa izay marihina fa fianarana ahafahana miditra amin’irony mpiasam-panjakana ambony irony. Tsy vitsy nefa no maheno fa rehefa tsy havan’ny lehibe ianao dia mila mandoa any amin’ny 150 tapitrisa irambilanja any, vao tafiditra amin’ireny sehatra ireny, na inona na inona fahaizanao.

Mazava ho azy fa rehefa tonga eo amin’ny toerany ireny olona ireny dia hiezaka mafy mba hamerina ny vola laniny nidirana tao, ka izay no vao mainka mampihombo ny kolikoly eny anivon’ny asam-panjakana.

 

Hatrany amin’ny lohany

 

Ny tena olana nefa dia hatrany amin’ny avo mihintsy matetika no anjakan’ny kolikoly. Hany ka lasa kofehy manaram-panjaitra fotsiny ireo mpiasa majinika aty ambany. Vao any amin’ny fampielezan-kevitra tokoa mantsy dia efa maro ireo vola voarain’ny kandida avy amin’ny olona tsy fantatra eto amintsika. Vokany : tsy azo kitihina ireny olona ireny rehefa lany ny kandida iray. Ny olana nefa dia tohanan’ireo tsy matimanota ireo avokoa ireo kandida rehetra mety ho lany mba hiarovany ny tombotsoany, hany ka lasa eo ambon’ny lalàna ireo mpanam-bola ireo, na iza na iza mpitondra eto amintsika. Iza tokoa moa no tsy mba manontany tena manoloana ilay afera lehibe momban’ilay tanim-panjakana nalain’ny mpandraharaha iray ery Ankadimbahoaka ? Na koa ireo hazo sarobidy naondrana tao anatin’ny tetezamita ireny ? Mba aiza ny marina momba azy ireny ? Iza marina no tena tompon’antoka ? Iza no tena nivarotra ireo tany etsy Ankadimbahoaka ?

Ankehitriny dia lasa matahotra ny vahoaka madinika na dia manana ny rariny aza. Manahy ny mety hoe tsindry hazo lena mety hahazo azy raha toa ka hitory. Hany hery dia mandefitra manana ny rariny no fahendrena manoloana ny zava-misy. Vokatr’izany nefa dia miharatsy ny asam-panjakana ary isika mianakavy ihany no mitaty ny vokany. Iza tokoa moa no tsy mahalala irony fomba fanomezana asa an-tsokosoko irony, eny fa na dia tsy mahafeno ny fepetra ary ny orinasa iray fa dia satria manipy kely ho an’ny tompon’andraikitra dia atolotra ny asa. Izany nefa no maharatsy ny vokatra aty aoriana satria dia lasan’ny tompon’andraikitra ny vola tokony hanatontosana an-tsakany sy andavany ny asa. Diniho fotsiny irony foto-drafitr’asa ankehitriny irony, hita fa mora simba ary tsy maharitra ela. Tahakan’ny hopitaly vaovao natao tao anatin’ny tetezamita izay hita fa kitoatoa tokoa, ny lalana maro manerana ny Nosy izay mora potika sy zara fa vita avokoa.

 

Vahaolana

 

Mazava ho azy fa mila mangaraharaha tanteraka ny fitantanana raha maniry hiala amin’ny kolikoly ny firenentsika. Hatreny amin’ireny fifaninana hiditra mpiasam-panjakana ireny dia tokony ho azon’ny be sy ny maro atao ny mahita ny vokatry ny fitsarana ny fanadinan’ny tsirairay mba hisorohana ny hosoka mety hiseho. Izany mangarahara izany nefa dia tokony hihatra amin’ny sampan-draharaha rehetra eo anivon’ny fanjakana. Mandalo amin’ireo ministera foibe ka hatrany amin’ireo sampana madinika. Tokony efa hipetraka ihany koa ny fanadihadiana momba ireo vola be fanaovana fifidianana eto amintsika. Ireo kandida tsirairay dia tokony hanome fanazavana amin’ny vola ampiasainy mba tsy hisian’ny halatra be vava rehefa lany izy mba hamerenany ny vola nampiasainy.

Tsy azo adinoina ihany koa nefa ny anjara asan’ny Fitsaràna manoloana ity olana lehibe ity. Tokony hipetraka amin’izay ankehitriny ilay Fitsarana mahaleotena ary atahoran’ny fitondram-panjakana fa tsy hoe matahotra azy. Nanomboka tamin’ny taona 2009 dia tsy heno intsony ny BIANCO fa lasa fitaovana politika fotsiny ihany hanenjehana ireo fahavalon’ny Fanjakana, nefa dia tsy nisy tsy nahalala isika ireo dosie lehibe tahakan’ny hazo sarobidy sy ireo fanondranana volamena an-tsokosoko izay niseho teto amin’ny firenena.

Isika vahoaka ihany koa nefa dia tokony tsy hisalasala sy hatahotra intsony hitory ny zavatra tsy rariny. Na eny anivon’ny Fitsarana, na eny anivon’ny fanaovan-gazety. Anjarantsika rehetra ny miady amin’ny kolikoly izay isan’ny antony voalohany mampahantra ny firenentsika satria io no mampalaina ny rehetra hiezaka sy hanaraka ny ara-dalàna satria herim-po very maina fotsiny ihany ny fanabezana ny ankizy raha toa ka izay mahalala olona foana no ho tompon’ny fahefana fa tsy izay milofo sy manana ny rariny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT