Nitolefika indray ny omby izay reharehantsika Malagasy! Marina fa tsy hampiova ny lalao efa vita ny fitanisana ny mety ho lesoka, fa kosa ahafana manarina sy maka lesona amin’ny ho avy.
Porofo iray mivaingana aloha iny, fa tsy ny kisehoseho ivelany na fizahaozahoan’ny olona iray ho mahavita azy sy tena maneho fa manampy ny ekipam-pirenena no miteraka vokatra. Toa miharihary loatra ny finiavana hanao fitaovana ny tontolon’ny baolina kitra sy ny ekipam-pirenena Malagasy hoenti-manasongadina tsangan’olona iray mpanao politika. Ekena, isaorana,… ny zava-bita toy ny fotodrafitrasa, ny fanohanana amin’ny endriny samihafa, fa tokony mba handeha amin’ny fahadiovam-po sy fahintsiana. Tsy ny fireharehana hoe: mampihanta sy mitondra ny mpilalao any amin’ny “classe affaire” no antoka fa hahatonga azy haharesy, tsy ny fiantsoana olo-malaza no hanome voninahitra ny tena,… no tena loharanon’ny fahombiazana. Tsara ny manao, tsara ny manampy,… saingy raha tena mitsinjo sy mametraka ny voninahitry ny fanatanjahantena marina ary tena mandeha am-pahintsiana mitodika kokoa amin’ny laza ara-politika sy hitaritana ny sain’ny olona hanohana, nahoana efa nitalaho ilay atleta tokona sembana hany solontenantsika tany Japon no niandrasana niely tany amin’ny tambajotran-tserasera ny olany vao hoe: halefa ihany izy na tara fiaingana aza? Maninona no tsy mba nalefa “classe affaire” toy ny mpanao baolina? Nahoana no tsy mba nampanantsoina tany an-dapa notsofin-drano? Izay ny ara-panatanjahantena fa zavatra iray tsy mety mivaha ny olana ara-tsosialy ity. Maro ny mampikolay ny olona, toy ny vidim-piainana izay resaka ambony latabatra no betsaka. Ny “werawera” mandeha foana, ny fihetsika maneso vahoaka amin’ny fandanindaniam-poana sy ny filiban’ny mpitondra. Iny niteraka resabe iny ny hoe: fanambazana ny vazaha tamin’ny hanim-pitoloha tany Lafrantsa, ny revy be nifanaovan’ny mpitondra sy ny ekipany,… Tena hoe miaina sy migalabona amin’ny harem-pirenena. Io iaraha-mahita io indray ny lanonana fanokanana kianja, izay tena handaniana vola tsy toko tsy fotohana. Karamana mpanakanto iray fotsiny no misy 6 tapitrisa ny iray. Ny vahoaka madinika anefa tsy misy hohanina, tsy manam-bola handoavana saram-pisoratana anarana any an-tsekoly,… Sao mba tsinin’ny alahelom-bahoaka ny tsy fahombiazana sy fahafaham-baraka maro miseho? Izao tokoa angamba ilay hoe: izahay aloha izao no eto, ny mpanenjika tozoro afara!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.