Edito

Teny, tany, tena


  • Alatsinainy 09 Novambra 2020

Ny olombelona no harena, hoy ny lahabolana iray any amin’ny faritra izay. Siantifika maromaro ihany koa no niezaka naneho ny fahamarinan’izany, indrindra, tato ho ato.

 

 Toy ny very fanahy moa, hoy ny filoham-pirenena, ny firenena tsy mitahiry ny tantarany. Fehezanteny izay toa mampametra-panontaniana maro ihany hoe tena fitehirizana izany tokoa ve no zava-nisy tato ho ato sa ny mifanohitra amin’izany? Mbola manako mandrak’anio ny zava-nitranga tamin’ny herinandro sy talohan’izay, indrindra moa, fa nanomboka tamin’ity resaka fanavaozana sy fanovana endrika vakoka ity. Ny colisee anaty rova moa no malaza indrindra fa efa niaraha-nahita ihany koa izany ireny ny ao an-drova ao ankehitriny. Eo koa ny resaka fampidirana teknolojia vaovao sy fitaovana hafa izay mampametra-panontaniana ihany hoe efa isam-bakoka tao ve? Efa mitranga moa io ilay izy, hoy ny mpahalala izay, ka dia ny mijery ny tohiny sisa azo atao. Ny hirariana dia ny tsy hitondrany loza, araky ny fanahiana maro, sanatria. Teny, tany, tena, ireo no mamintina ny maha izy azy ny fiarahamonina iray, raha fintinina ny fifandraisan’ny fomba fijery nentim-paharazana sy repoblikanina. Iaraha-mahita anefa ny zava-misy ankehitriny. Manao ahoana ny fanomezan-danja ny tenim-pirenena raha jerena ny fivoaran’ny fampiasan’ny tanora izay heverina hoavin’ny firenena izany? Ny tany io iaraha-mahalala fa mbola miady gisitra isika izao. Mbola manampy trotraka koa ity resaka hasiny ahiana sy tsy mety tafaverina amin’ny laoniny ity. Ny tena moa na ilay olombelona Malagasy voalaza teo, manao ahoana ny momba azy? Mahalala ny andraikitra tokony ho raisiny hampandroso firenena ve? Sa tsy mahatsapa ny tamberin’andraikitra ao anatin’izany fireneny izany akory? Raha tena manome lanja ny maha olona ve ny mpitondra hatramin’izao dia tokony hisy ny kere toy ny any atsimo? Tena mbola marary mafy ny firenena ka asa na hahatsabo azy ny “werawera”!

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT