Ny olombelona no harena, hoy ny lahabolana iray any amin’ny faritra izay. Siantifika maromaro ihany koa no niezaka naneho ny fahamarinan’izany, indrindra, tato ho ato.
Toy ny very fanahy moa, hoy ny filoham-pirenena, ny firenena tsy mitahiry ny tantarany. Fehezanteny izay toa mampametra-panontaniana maro ihany hoe tena fitehirizana izany tokoa ve no zava-nisy tato ho ato sa ny mifanohitra amin’izany? Mbola manako mandrak’anio ny zava-nitranga tamin’ny herinandro sy talohan’izay, indrindra moa, fa nanomboka tamin’ity resaka fanavaozana sy fanovana endrika vakoka ity. Ny colisee anaty rova moa no malaza indrindra fa efa niaraha-nahita ihany koa izany ireny ny ao an-drova ao ankehitriny. Eo koa ny resaka fampidirana teknolojia vaovao sy fitaovana hafa izay mampametra-panontaniana ihany hoe efa isam-bakoka tao ve? Efa mitranga moa io ilay izy, hoy ny mpahalala izay, ka dia ny mijery ny tohiny sisa azo atao. Ny hirariana dia ny tsy hitondrany loza, araky ny fanahiana maro, sanatria. Teny, tany, tena, ireo no mamintina ny maha izy azy ny fiarahamonina iray, raha fintinina ny fifandraisan’ny fomba fijery nentim-paharazana sy repoblikanina. Iaraha-mahita anefa ny zava-misy ankehitriny. Manao ahoana ny fanomezan-danja ny tenim-pirenena raha jerena ny fivoaran’ny fampiasan’ny tanora izay heverina hoavin’ny firenena izany? Ny tany io iaraha-mahalala fa mbola miady gisitra isika izao. Mbola manampy trotraka koa ity resaka hasiny ahiana sy tsy mety tafaverina amin’ny laoniny ity. Ny tena moa na ilay olombelona Malagasy voalaza teo, manao ahoana ny momba azy? Mahalala ny andraikitra tokony ho raisiny hampandroso firenena ve? Sa tsy mahatsapa ny tamberin’andraikitra ao anatin’izany fireneny izany akory? Raha tena manome lanja ny maha olona ve ny mpitondra hatramin’izao dia tokony hisy ny kere toy ny any atsimo? Tena mbola marary mafy ny firenena ka asa na hahatsabo azy ny “werawera”!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.