Fotoana hanaovana tombona hijerena ny lesoka sy ny zavatra heverina fa tsara
tamin’ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-piarahamonina ary ho an’ny isam-batan’olona izao. Mila manao jery todika mba ahafahana mibanjina ny ho avy. Mila mihaiky ny mety ho fahadisoana, mba ahafahana manitsy ny dia. Asa mba manao izany ve ny mpitondra antsika ankehitriny? Tsy mba manaiky ho diso, tsy mba mihaino ny hafa,… ary tena vao mainka midingin-drambo satria tsy misy arofanina intsony. Efa feno mantsy ny fahefana rehetra fa tsy misy eo am-pelantanan’ny mpanohitra intsony. Tena ara-bakiteny mihitsy ankehitriny ilay hoe: “izahay aloha izao no eto dia aleo ataonay”. Rehefa midofotra avy eo vao hoe tsy andron’ny fifanomezan-tsiny intsony izao. Rehefa mba misy zavatra mety kely, dia midingin-drambo, manao izay saim-pantatra,… Asa re mba nitondra antsika nankaiza ireo zavatra nihazakazahana nilazana fa isika no hanavotra an’izao tontolo izao. Noforomporonina hatramin’ny karazana faminaniana kisampontsampona sy horonantsary nentina hanaporofoana fa mety sy mahomby no atao, ary hiainga eto Madagasikara ny famonjena an’izao tontolo izao. Mba mijery fitaratra sy mba maka lesona amin’ireo nataony ve ny mpitondra ankehitriny. Toa zary lasa tompon’i Madagasikara samirery, ka manapatapaka amin’izay diavolan’ny sainy na mitondra ny firenena any an-kady aza indraindray. Izay miteny sy manakiana tondroina ho fahavalo sy mpanakorontana avokoa. Izay mba hoe ny ohatra miainga any ambony izany moa, dia lavitry ny kitay ny afo, fa hanjakan’ny tari-bato vilam-bava. Asa re raha mba ho voafafa amin’ity taona 2020 hifarana ity ny fanao ratsy hatramin’izay na ny omaly tsy miova toy ny volan-kankafotra hatrany? Ny tànana efa zatra mitsotra anefa, hoy ny Ntaolo, dia tsy afa-mivokona intsony. Raha mitohy ihany koa anefa, hono, ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra ka asa re izay hiafarany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.