Tsy mbola misy ady an-trano aloha eto Madagasikara hatramin’izao, koa dia mbola sahy manao vavabe manoloana ny tatitra somary masiaka ihany avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, momba ny fanondranana sy fivarotana olona tsotra izao, ny mpitondra tetezamita sy ireo mpomba azy.
Amin’izy ireo dia mbola tany milamina i Madagasikara, tsy tahaka ny any Cote d’Ivoire sy Nigeria. Tsy mbola betsaka loatra ny mpizahatany mamoafady eto, ary toerana iray monja no mbola nahazo fanamarihana avy amin’ny fanjakana Frantsay fa tsy tokony haleha, hatramin’izao aloha. Malailay fonosana tanteraka amin’ny Amerikana noho ny tsy faneken’ity firenen-dehibe ity, ny fandikan-dalàna nataony i Andry Rajoelina sy ny ekipany, ka vantany vao miteny i Etazonia dia miala any avy hatrany ny valy bontana, dia fohazina daholo izao tantara rehetra izao. Dia ambara fa misy ambadika politika ny fanambarana avoakan’i Etazonia momba an’i Madagasikara fa tsy resaka diplaomasia madiodio fotsiny. Ka efa mazava hatry ny taonjato maro anie fa misy ambadika politika sy toekarena foana ny fifandraisana firenena roa e ! Na i Etazonia, na i Alemaina, na i Frantsa na i Japon, na i Chine dia mahita fa misy zavatra maro azo trandrahana eto.
Matoa mifandray amin’i Madagasikara dia hitan’izy ireo ihany koa fa stratejika ny toerana misy ity nosy ity, ka ilaina foana amin’ny resaka fifandraisana ara-barotra, mety ilaina ihany koa, any aoriana any rehefa raikitra ny ady lehibe. Ny tena mahatsikaiky amin’ny mpomba ny filohan’ny tetezamita dia izy ireo tsy mahalala vazaha, afa tsy ny Frantsay. Rehefa ny Frantsay sy ny saribakoliny no miteny, dia ekena tsy asiana adihevitra, fa rehefa ny Amerikanina no milaza ny heviny dia anaovana teny mahery feno avona sy fiantsiana. Nalaza ho tsy dia tsara fifandraisana tamin’i Frantsa i Marc Ravalomanana ary nanembantsembana ny tombontsoan’ireo orinasa Frantsay goavana teto, dia iny niaraha-nahita iny ny nahazo azy. Fantatry ny rehetra tsara hoe nisy fotoana nipetraka tany amin’ny masoivoho Frantsay Atoa Andry Rajoelina tamin’ireny fotoana mafampana tamin’ny 2009 ireny. Misy dikany lalina izany.
Ny atahorana raha mitohy ity fomban’ny fitondrana FAT ity dia ho tezitra ihany ny Amerikanina ny farany, ka hampiato tanteraka ny fanampiany antsika, eny fa na dia ireo tetikasa momba ny fiahiana ny maha olona aza. Tsy azo antenaina hahavita hisolo izany anefa i Lafrantsa, izay raha ny tena marina dia i Madagasikara no manampy azy rehefa tena atao ny kajy rehetra, fa resaka be fotsiny ny ambiny. Dia hiady amin’ny firenen-kafa rehetra ve izany isika sanatria, fa kosa hanaiky an’i Frantsa renimalala mandrakizay ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.