Edito

Ny voaranitra no handratra


  • Zoma 14 Janoary 2022

“Ranitra”, lohatenina sangan’asa namondronana poeta iray ireo tononkalo neveriny ho tsara fantina indrindra nivoaka ny taona 1992 io.

Namonjy ireo kintana na koa hoe efa lasan-ko razana taona vitsy lasa izay moa ity poeta ity. Raha nijery ilay lohanteny sy nandinika ny tao anatiny tamin’izany fotoana dia toy ny mahazo sary an-tsaina mihitsy hoe toy izao izany ny vokatra iray rehefa voaranitra tsara na koa hoe voavolavola tsara sy niandrasana ny fotoana hahafana mamoaka sy mampiasa azy amin’izany. Ny ela nihetezana lava volo, hoy ny fahendren-drazana, rehefa hiresaka traikefa nahasoa izay izy. Ny alahelo tsy ambara havana zakan’ny tompony ihany. Toa manomboka mampitandrina izany oha-pitenenana izany fa mety hipoaka io rehefa tsy ho zakany intsony ary dia ireny teraka ireny moa ny fomba fiteny taty aoriana hoe “nipoaka ny sarom-bolany”. Hita ho toy ny mandrangitra ny fiainam-piarahamonina sy ny fiainan-dRamalagasy avokoa amin’izao fotoana izao rehefa jerena akaiky ny zava-misy rehetra ataon’ireo mihevi-tena ho manampahefana aminy. Manao ny ataony ny JIRAMA. Manao ny ataony ny orinasam-pifandraisan-davitra. Na ny fihetsiky ny mpitondra fotsiny aza dia efa mampametra-panontaniana hoe tsy mba azo lanjalanjaina sy fantarina mialoha ve ny mety ho fiantraikany amin’ny fijerin’ireo mpanara-baovao azy, indrindra, moa fa ireo valalabemandry? Naresaka tamin’ny herinandro lasa ny resaka tanana folaka sa tapaka tao anaty governemanta tao. Dia tsy misy mpitsabo Malagasy afaka mitsabo izany vetivety eto ve fa tsy maintsy hivoahana any am-pitan-dranomasina ilay izy? Na atao hoe volan’ilay tomponandraiki-panjakana manokana aza no nanaovana izany, azo antoka fa tsy hampisy olana amin’ny fomba fijery eo amin’ny mpitsabo avy eto an-toerana sy ny mpitondra ary ireo mpiray tanindrazana eto ve? Dia nihevitra ve ny tompon-kevitra tamin’iny fanamian’ny foloalindahy nolokoina volomboasary iny fa tsy hisy olompirenena ho tafitohina na mpanara-baovao ho velom-panontaniana ary hahatonga ireny ho resabe, sanatrian’izany, mety hanitatra indray ny fahasamihafan’ny fomba fijery eto amin’ity firenena ity? Tsy efa lasa fehezanteny politika ve ireny nataon’ny manamboninahitra heverina ho filamatra niresaka momba ny demokrasia sy korontana ireny? Ny voaranitra ihany no tsy maintsy haranitra ary tsy maintsy handratra, raha tsy hitandremana toy izay efa hita tamin’ireo tantaram-pirenena tany aloha. Rahoviana ihany izany vao tena hahay hifampitory fihavanana ny mpitondra hifandimby eto ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT