Edito

Ny vava no tsy atao be,…


  • Alatsinainy 07 Desambra 2020

Ny vava no tsy atao be, hono, ny mamerina azy no sarotra. Mitombina foana io,

 

ary efa mipetraka ho soatoavina ho antsika Malagasy. Mbola hamafisin’ilay hoe avadibadiho im-pito ny lela izay vao vao miteny, na koa hoe ny teny toy ny salaka ka ny tena ihany. Andeha hampifandraisina hatrany amin’ny raharaham-pirenena. Inona moa ny vava be tsy natao teto? Inona ny fampanantenana tsy noventesina? Mahazo ny anjarany avokoa izay lalovana amin’ny fampanantenana sy fampanofinofisana. Tena efa lasa paradisa kely i Madagasikara, raha ny 50% amin’ireny fotsiny no tanteraka. Efa noresahina tany anaty adihevitry ny fampiezalan-kevitry ny fifidianana Filoha, ohatra, ny filàn’i Madagasikara amin’ny herinaratra, nolazaina aza fa hampidinina ny sarany kinanjo aiza isika izao? Noventesina ny tsy filàna fanampiana avy any ivelany fa mampahantra firenena, isika aza no hampindrana an’i Kaomoro,… Toy ny hoe bokotra no potserina dia mandeha ny zava-drehetra kinanjo inona no teo. Ny mangata-trosa sy mitady famafan-trosa no anton-draharahany. Aiza moa ny olona no hahatoky antsika intsony? Tsy mitsara olona be fahatany fa mampametra-panontaniana hoe tena mba tsaroana ve ireny? Mba mahalala menatra ve? Isika manao vava be amin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka kanefa avy eo mandadilady tahaka ny inona. Aiza ve ka na ny vonjy aina any Atsimo aza, toa tsy tena mahita afitsoka raha tsy misy ny fanampiana vonjy ranovaky avy amin’ny iraisam-pirenena. Isika anefa nolazaina fa hamonjy izao tontolo izao. Noforonina hatramin’ny faminaniana sadasada tamin’ilay ambara fa Brezilianina tonga teto Madagasikara. Tena arak’ireny nambara ireny ve no niseho sa filalaovana sy fanadalàna saIm-bahoaka no betsaka ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT