Ny vava no tsy atao be, hono, ny mamerina azy no sarotra. Mitombina foana io,
ary efa mipetraka ho soatoavina ho antsika Malagasy. Mbola hamafisin’ilay hoe avadibadiho im-pito ny lela izay vao vao miteny, na koa hoe ny teny toy ny salaka ka ny tena ihany. Andeha hampifandraisina hatrany amin’ny raharaham-pirenena. Inona moa ny vava be tsy natao teto? Inona ny fampanantenana tsy noventesina? Mahazo ny anjarany avokoa izay lalovana amin’ny fampanantenana sy fampanofinofisana. Tena efa lasa paradisa kely i Madagasikara, raha ny 50% amin’ireny fotsiny no tanteraka. Efa noresahina tany anaty adihevitry ny fampiezalan-kevitry ny fifidianana Filoha, ohatra, ny filàn’i Madagasikara amin’ny herinaratra, nolazaina aza fa hampidinina ny sarany kinanjo aiza isika izao? Noventesina ny tsy filàna fanampiana avy any ivelany fa mampahantra firenena, isika aza no hampindrana an’i Kaomoro,… Toy ny hoe bokotra no potserina dia mandeha ny zava-drehetra kinanjo inona no teo. Ny mangata-trosa sy mitady famafan-trosa no anton-draharahany. Aiza moa ny olona no hahatoky antsika intsony? Tsy mitsara olona be fahatany fa mampametra-panontaniana hoe tena mba tsaroana ve ireny? Mba mahalala menatra ve? Isika manao vava be amin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka kanefa avy eo mandadilady tahaka ny inona. Aiza ve ka na ny vonjy aina any Atsimo aza, toa tsy tena mahita afitsoka raha tsy misy ny fanampiana vonjy ranovaky avy amin’ny iraisam-pirenena. Isika anefa nolazaina fa hamonjy izao tontolo izao. Noforonina hatramin’ny faminaniana sadasada tamin’ilay ambara fa Brezilianina tonga teto Madagasikara. Tena arak’ireny nambara ireny ve no niseho sa filalaovana sy fanadalàna saIm-bahoaka no betsaka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.